Fanampiana amin’ny fandalinana
Gada, Zanakalahin’i Jakoba


Gada, Zanakalahin’i Jakoba

Ao amin’ny Testamenta Taloha: zanakalahin’i Jakoba sy i Zilpa (Genesisy 30:10–11). Nanjary fokom-pirenena iray amin’ny Isiraely ny taranany.

Ny fokom-pirenen’i Gada

Momba ny tsodranon’i Jakoba tamin’i Gada zanakalahiny, dia jereo Gen. 49:19. Momba ny tsodranon’i Mosesy tamin’ny fokom-pirenen’i Gada, dia jereo ny Deoteronomia 33:20–21. Araka ireo tsodrano ireo, ny tamingan’i Gada dia taranaky ny mpiady. Ny zara tany nomena azy ireo ao amin’ny tany Kanana dia ny atsinanan’ny Renirano Jordana ary ahitana kijana tsara mbamin’ny rano sesehena.