Fanampiana amin’ny fandalinana
Ray Aman-dreny


Ray Aman-dreny

Ray sy Reny. Ireo mpivady mendrika nofehezina ara-dalàna tamin’ny fanambadiana tao amin’ny tempolin’ Andriamanitra dia afaka mizaka ny andraikitra maha-ray aman-dreny azy mandrakizay. “Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny mba hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona na aiza na aiza hitoerany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign, Nôv. 2010, 129).