Fanampiana amin’ny fandalinana
Genesisy


Genesisy

Ny bokin’i Genesisy no boky voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha ka i Mosesy Mpaminany no nanoratra azy. Manazava ireo fiandohana maro izany, toy ny fahariana ny tany, ny fametrahana ny olona sy ny biby teto an-tany, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny fanambarana ny filazantsara tamin’i Adama, ny fiandohan’ny foko sy ny firazanana, ny fiavian’ireo fiteny samihafa tao Babela ary ny fiandohan’ny fianakavian’i Abrahama, izay niafara tamin’ny fananganana ny mpianakavin’i Isiraely. Asongadina ao amin’ny Genesisy ny anjara asan’i Josefa tamin’ny naha-mpitsimbina ny Isiraely azy.

Ny fanambaran’ny andro farany dia manamarina sy manazava ny rakitsoratry ny Genesisy (1 Ne. 5; Ete. 1; Mos. 1–8; Abr. 1–5).

Ao amin’ny bokin’ny Genesisy, ny toko 1–4: dia mitantara ny fahariana izao tontolo izao sy ny fivoaran’ny fianakavin’i Adama. Toko 5–10: mirakitra ny tantaran’i Noa. Toko 11–20: milaza ny amin’i Abrahama sy ny fianakaviany hatreo amin’ny andron’i Isaka. Toko 21–35: manjohy ny fianakavian’i Isaka. Toko 36: milaza ny amin’i Esao sy ny fianakaviany. Toko 37–50: milaza ny amin’ny fianakavian’i Jakoba ary mitantara ny nivarotana an’i Josefa tany Egypta mbamin’ny anjara asany tamin’ny famonjena ny mpianakavin’i Isiraely.