Fanampiana amin’ny fandalinana
Hara-magedona


Hara-magedona

Ny anarana hoe Hara-magedona dia avy amin’ny teny Hebreo hoe Har Megiddon, midika hoe ny “tendrombohitr’i Megido.” Ny lohasahan’i Megido dia ao amin’ny ilany andrefan’ny lemak’i Esdrelôna, valopolo kilaometatra ao avaratr’i Jerosalema, ary toerana nitrangan’ireo ady lehibe maro tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Ny ady lehibe sady farany izay hitranga any akaikin’ny fotoanan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany no atao hoe adin’i Hara-magedona, satria hanomboka eo amin’io toerana io izany. (Jereo Ezek. 39:11; Zak. 12–14; indrindra fa ny 12:11; Apôk. 16:14–21).