Fanampiana amin’ny fandalinana
Korintiana, Epistily ho an’ny


Korintiana, Epistily ho an’ny

Boky roa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taratasy izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina tao Korinto izany tany am-piandohana mba handaminana ny korontana teo anivony. Niaina tao amin’ny fiarahamonina izay ratsy fitsipi-pitondrantena ny Korintiana.

Korintiana Voalohany

Ny toko 1: dia mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy ny fanentanany ny Olomasina mba hiray hina. Toko 2–6: fanitsian’i Paoly ny hadisoan’ny Olomasina Korintiana. Toko 7–12: mirakitra ny valintenin’i Paoly ho an’ireo fanontaniana sasantsasany. Toko 13–15: momba ny fiantrana, ny fanomezam-pahasoavam-panahy ary ny Fitsanganana amin’ny maty. Toko 16: mirakitra ny fananaran’i Paoly mba hiorina mafy amin’ny finoana.

Korintiana Faharoa

Ny toko 1: dia mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy hafatra fampaherezana. Toko 2: mirakitra hafatra manokana ho an’i Titosy. Toko 3–7: mamaofivaofy ny herin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’ireo Olomasina sy ny mpitondra azy. Toko 8–9: Mananatra an’ireo Olomasina mba hanome am-pifaliana ho an’ny mahantra. Toko 10–12: fanantitranteran’i Paoly ny toerana maha-Apôstôly azy. Toko 13: fananarana mba ho tonga tanteraka.