Fanampiana amin’ny fandalinana
Nefia, Zanakalahin’i Nefia, Zanakalahin’i Helamàna


Nefia, Zanakalahin’i Nefia, Zanakalahin’i Helamàna

Iray amin’ireo Nefita mpianatra roa ambin’ny folo izay nofidin’i Jesoa Kristy tafatsangana tamin’ny maty ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (3 Ne. 1:2–3; 19:4). Nivavaka mahery tamin’ny Tompo ho an’ny vahoakany ity mpaminany ity. Nandre ny feon’ny Tompo i Nefia (3 Ne. 1:11–14). Novangian’ny anjely, nandroaka devoly, nanangana ny rahalahiny tamin’ny maty ary namela fijoroana ho vavolombelona tsy azo lavina koa i Nefia (3 Ne. 7:15–19; 19:4). Nitahiry ny rakitsoratra masina i Nefia (3 Ne. 1:2–3).

Ny bokin’ny 3 Nefia

Boky nosoratan’i Nefia, zanakalahin’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Toko 1–10: maneho ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny fiavian’ny Tompo. Nomena ireo famantarana ny fahaterahan’i Kristy; nibebaka ny olona saingy niverina tamin’ny faharatsiana indray avy eo. Farany, tafiotra, horohoron-tany, tadio mahery vaika ary faharavana lehibe no nanamarika ny fahafatesan’i Kristy. Toko 11–28: mitantara ny fiavian’i Kristy tany Amerika. Io no fototry ny bokin’ny 3 Nefia. Maro amin’ireo tenin’i Kristy no mitovy amin’ny toriteny nataony voarakitra ao amin’ny Baiboly (ohatra Matio 5–7 sy 3 Ne. 12–14). Toko 29–30: tenin’i Môrmôna amin’ireo firenen’ny andro farany.

Ny bokin’ny 4 Nefia

Ity boky ity dia tsy manana afa-tsy andininy sivy amby efapolo, izay ao anatin’ny toko iray ihany, kanefa maharakotra ny tantaran’ny Nefita efa ho telonjato taona (34–321 taona taorian’i Kristy). Taranaka mpanoratra maromaro nifandimby, ka isan’izany i Nefia, no nandray anjara tamin’ny fanoratana azy. Andininy 1–19: milaza fa nandray ny filazantsara avokoa ny Nefita sy ny Lamanita taorian’ny namangian’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty azy ireo. Fandriampahalemana, fitiavana ary firindrana no nanjaka. Nanompo ny olona ireo mpianatra Nefita telolahy izay navelan’i Kristy hijanona eto an-tany hatramin’ny Fiaviany fanindroany (3 Ne. 28:4–9). Navelan’i Nefia tamin’i Amôsa zanany lahy ny rakitsoratra. Andininy 19–47: mirakitra ny fanompoan’i Amôsa (84 taona) sy ny an’i Amôsa zanany lahy (112 taona). Tamin’ny 201 taona taorian’i Kristy, dia nanomboka niteraka olana teo anivon’ny vahoaka ny avonavona, ka nizara ho saranga sy nanomboka fiangonan-diso hahazoan-karena izy ireo (4 Ne. 1:24–34).

Ireo andininy farany ao amin’ny 4 Nefia dia mampiseho fa niverina tamin’ny faharatsiany indray ny vahoaka (4 Ne. 1:35–49). Maty i Amôsa zanakalahin’i Amôsa ny 305 taona taorian’i Kristy ary nafenin’i Amarôna rahalahiny ireo rakitsoratra masina rehetra mba hitehirizana izany. Taty aoriana ireo takelaka dia nomen’i Amarôna an’i Môrmôna izay nanoratra zava-maro momba ny androm-piainany ary namintina izany avy eo (Môrm. 1:2–4).