Fanampiana amin’ny fandalinana
Tantara


Tantara

Boky roa ao amin’ny Testamenta Taloha. Izany dia mitantara fohy ny zava-nisy hatramin’ny Fahariana ka hatramin’ny fanambaran’i Kirosy izay namela ny Jiosy hiverina any Jerosalema.

Tantara Voalohany

Toko 1–9: misy ireo tetiarana hatramin’i Adama ka hatramin’i Saoly. Toko 10: mitantara ny nahafatesan’i Saoly. Toko 11–22: manoritsoritra an’ireo zava-nisy nifaningotra tamin’ny nanjakan’i Davida. Toko 23–27: manazava fa lasa mpanjaka i Solomona ary nalamin’ireo Levita. Toko 28: manazava fa nodidian’i Davida i Solomona hanorina tempoly. Toko 29: mitantara ny nahafatesan’i Davida.

Tantara faharoa

Toko 1–9: manoritsoritra ny zava-nisy nifaningotra tamin’ny nanjakan’i Solomona. Toko 10–12: milaza ny amin’ny nanjakan’i Rehoboama, zanakalahin’i Solomona, ka tamin’izany dia nizara ho fanjakana avaratra sy atsimo ilay fanjakana tokan’i Isiraely. Toko 13–36: milazalaza ny fitondran’ireo mpanjaka samihafa mandra-pahatongan’ny famaboan’i Nebokadnezara ny fanjakan’i Joda. Ny boky dia miafara amin’ny didim-pitondran’i Kirosy, fa ny babo zanak’i Joda dia afaka miverina any Jerosalema.