Fanampiana amin’ny fandalinana
Etera


Etera

Mpaminany Jaredita farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (Ete. 12:1–2).

Ny bokin’i Etera

Boky iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mirakitra ny ampahany amin’ny rakitsoratry ny Jaredita. Ny Jaredita dia andian’olona, izay nonina tao amin’ny ilany andrefan’ny tany, taonjato maro talohan’ny vahoakan’i Lehia. Ny Bokin’i Etera dia nalaina tamin’ireo takelaka efatra amby roapolo hitan’ny vahoakan’i Limia (Môzià 8:8–9).

Toko 1–2: milaza ny fomba nandaozan’ny Jaredita ny fonenany tamin’ny fotoan’ny Tilikambon’i Babela ary ny nanombohany ny diany mankamin’izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe ny Kaontinanta Amerikana. Toko 3–6: manazava fa ny rahalahin’i Jareda dia nahita ny Mpamonjy fony Izy tsy mbola tonga teto an-tany, fa nandeha sambofiara valo ny Jaredita. Toko 7–11: manohy ny tantaran’ny faharatsiana izay nanjaka be tamin’ny tantaran’ny Jaredita. Môrônia, izay namoaka ny rakitsoratr’i Etera, no nanoratra ao amin’ny toko 12–13 ny amin’ny fahagagana vita noho ny finoana ary ny amin’i Kristy sy i Jerosalema Vaovao izay ho avy. Toko 14–15: milaza ny fomba nahatonga ny Jaredita ho firenena matanjaka saingy ravan’ny ady an-trano vokatry ny faharatsiana.