Fanampiana amin’ny fandalinana
Efesiana, Epistily ho an’ny


Efesiana, Epistily ho an’ny

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, taratasy nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ny Olomasina tao Efesosy. Manan-danja lehibe ilay epistily, satria mirakitra ny fampianaran’i Paoly momba ny Fiangonan’i Kristy izany.

Toko 1: mirakitra ny fiarahabana mahazatra. Toko 2–3: manazava ny fiovana izay mitranga amin’ny olona rehefa tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonana izy,—manjary mpiray faritany amin’ny Olomasina izy ireo ka ny Jentilisa sy ny Jiosy dia tafatambatra ao amin’ny Fiangonana iray. Toko 4–6: manazava ny andraikitry ny Apôstôly sy ny mpaminany, ny ilana firaisankina, ny tokony hitafiana ny fiadiana rehetra avy amin’ Andriamanitra.