Fanampiana amin’ny fandalinana
Betela


Betela

Midika hoe “tranon’ Andriamanitra” amin’ny fiteny Hebreo ary anankiray amin’ireo toerana masina indrindra amin’ny Isiraely. Sahabo ho enina ambin’ny folo kilaometatra, avaratr’i Jerosalema. Tao i Abrahama no nanangana ny alitarany tamin’ny fotoana nahatongavany voalohany tany Kanana (Gen. 12:8; 13:3). Tao i Jakoba no nahita tamin’ny fahitana ny tohatra niakatra hatrany an-danitra (Gen. 28:10–19). Toerana masina koa izany tamin’ny andron’i Samoela (1 Sam. 7:16; 10:3).