Fanampiana amin’ny fandalinana
Petera


Petera

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Petera dia fantatra tamin’ny anarana hoe Simeona na Simona tamin’ny voalohany (2 Pet. 1:1), ary mpanarato avy any Betsaida izay nonina tao Kapernaony niaraka tamin’ny vadiny. Nanasitrana ny rafozam-bavin’i Petera i Jesoa (Mar. 1:29–31). Nantsoina niaraka tamin’i Andrea rahalahiny i Petera mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy (Mat. 4:18–22; Mar. 1:16–18; Lio. 5:1–11). Ny Tompo no nanome azy ny anarana aramaika hoe Kefasy izay midika ho “mpahita” na “vato” (Jao. 1:40–42; DJS, Jao. 1:42 [Tovana]). Na mitatitra ny fahalemen’ny maha-nofo sasany nananan’i Petera aza ny Testamenta Vaovao, dia asehony ihany koa ny nandresen’i Petera izany sy ny nanatanjahana azy tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Nambaran’i Petera fa i Jesoa no Kristy sady Zanak’ Andriamanitra (Jao. 6:68–69), ary nifidy azy hihazona ny fanalahidin’ny fanjakany eto an-tany ny Tompo (Mat. 16:13–19). Nahita ny Mpamonjy niova tarehy, ary koa i Mosesy sy i Elia teo an-tendrombohitry ny fiovan-tarehy i Petera (Mat. 17:1–9).

I Petera no lohan’ny Apôstôly tamin’ny androny. Namory ny Fiangonana sy nitarika ny fiantsoana Apôstôly iray hisolo an’i Jodasy Iskariota izy taorian’ny nahafatesana sy ny nitsanganana ary ny niakaran’ny Mpamonjy (Asa 1:15–26). Nanasitrana lehilahy malemy tongotra hatrany am-bohoka i Petera sy i Jaona (Asa 3:1–16) ary navoaka ny fonja tamin’ny fomba mahagaga (Asa 5:11–29; 12:1–19). Tamin’ny fanompoan’i Petera no nanokafana voalohany ny filazantsara tamin’ny Jentilisa (Asa 10–11). Tamin’izao andro farany izao, dia nidina avy any an-danitra niaraka tamin’i Jakoba sy i Jaona i Petera ka nanolotra ny fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidiny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery (F&F 27:12–13; 128:20).

Epistilin’i Petera voalohany

Nosoratana avy any Babylona (azo inoana ho Roma) ny epistily voalohany ary nalefa tany amin’ireo Olomasina tany amin’ny toerana antsoina ankehitriny hoe Azia Minora, fotoana fohy taorian’ny nanombohan’i Nerao ny fanenjehana ireo Kristiana.

Toko 1: miresaka ny andraikitra nanendrena mialoha an’i Kristy ho Mpanavotra. Toko 2–3: manazava fa i Kristy no tonga vatofehizoron’ny Fiangonana, fa mihazona fanjakam-pisoronana ny Olomasina, fa nitory tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina i Kristy. Toko 4–5: manazava ny antony itoriana ny filazantsara amin’ny maty sy ny antony tsy maintsy amahanan’ireo loholona ny ondry.

Epistily faharoa nosoratan’i Petera

Toko 1: fanentanana ny Olomasina hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy. Toko 2: fampitandremana amin’ny mpampianatra sandoka. Toko 3: miresaka ny amin’ny andro farany sy ny Fiavian’i Kristy Fanindroany.