Fanampiana amin’ny fandalinana
Harris, Martin


Harris, Martin

Anankiray amin’ireo Vavolombelona Telo ny amin’ny maha-avy amin’ Andriamanitra sy ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Nanampy an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana ara-bola izy. Nangataka an’i Martin Harris ny Tompo hivarotra ny fananany ary hanome ny vidiny handoavana ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna (F&F 19:26–27, 34–35), ho fakan-tahaka ho an’ny Fiangonana (F&F 58:35), ary hanampy amin’ny fandoavana ny fandaniana amin’ny asa fanompoana (F&F 104:26).

Noroahina tsy ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana i Martin Harris saingy niverina ho mpikambana feno izy taty aoriana. Hatrany amin’ny fiafaran’ny fiainany dia vavolombelona nanambara izy fa nahita ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena izay avy amin’izany no nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna.