Fanampiana amin’ny fandalinana
Natana


Natana

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha tamin’ny andron’i Davida mpanjaka. Raha nanolo-tena hanangana tempoly ho an’ny Tompo i Davida, dia niteny an’i Natana ny Tompo hilaza amin’i Davida fa tsy tokony hanangana izany izy. Nolevileven’i Natana koa i Davida noho ny nampamonoany an’i Oria izay iray tamin’ny tafiny sy ny nakany an’i Batseba vadin’i Oria (2 Sam. 12:1–15; F&F 132:38–39). I Zadoka, niaraka tamin’i Natana, no nanosotra an’i Solomona zanakalahin’i Davida ho mpanjaka (1 Mpan. 1:38–39, 45).