Fanampiana amin’ny fandalinana
Kirosy


Kirosy

Mpanjak’i Persia, ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanatanteraka ny faminanian’i Isaia (2 Tan. 36:22–23; Isa. 44:28; 45:1) tamin’ny namelany ny Jiosy hiverina any Jerosalema mba hanorina ny tempoly, ka namarana amin’ny ampahany ny fahababoana tany Babylonia. Ny faminanian’i Isaia dia natao sahabo ho 180 taona talohan’ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka.