Fanampiana amin’ny fandalinana
Nefia, Zanakalahin’i Lehia


Nefia, Zanakalahin’i Lehia

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zanakalahy marin-toetra tian’i Lehia sy Sarià (1 Ne. 1:1–4; 2:5). Nanana finoana mafy orina amin’ny tenin’ Andriamanitra i Nefia, ary lasa mpaminany lehibe mpitahiry rakitsoratra ary mpitondra ny olony (1 Ne. 3:7).

Ny bokin’ny 1 Nefia

Toko1 ka hatramin’ny 18:8: miresaka indrindra ny amin’i Lehia mpaminany sy ny fianakaviany nandao an’i Jerosalema. Namakivaky tany foana izy mandra-pahatongany teo amin’ny ranomasina. 1 Nephi 18:9–23: mitantara ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina araka izay nitarihan’ny Tompo, na dia teo aza ny fikomian’i Lamàna sy i Lemoela. Toko 19–22: milaza ny tanjon’i Nefia amin’ny fitanana ireo rakitsoratra (1 Ne. 6; 19:18)—dia ny handresy lahatra ny rehetra hahatsiaro ny Tompo Mpanavotra azy. Nitanisa sy nanazava ny hafatr’i Isaia izy (1 Ne. 20–21), nomban’ny fanantenana fa ho tonga amin’ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy ho ny Mpamonjy sy Mpanavotra azy ny rehetra (1 Ne. 22:12).

Ny bokin’ny 2 Nefia

Toko1–4: mirakitra ny sasany amin’ny fampianarana sy faminaniana farany nataon’i Lehia talohan’ny nahafatesany, ka isan’izany ny fitsofan-drano ireo zanany lahy sy ny taranany. Toko 5: manazava ny antony nisarahan’ny Nefita tamin’ny Lamanita. Nanorina tempoly, nampianatra ny lalàn’i Mosesy ary nitana rakitsoratra ny Nefita. Toko 6–10: mirakitra ny tenin’i Jakoba zandrin’i Nefia. Namerina ny tantaran’i Joda sy naminany momba ny Mesia i Jakoba, ka ny sasany amin’izany dia nalaina avy ao amin’ny rakitsoratry ny mpaminany Isaia. Toko 11–33: firaketan’i Nefia ny tenivavolombelony momba an’i Kristy, ny tenivavolombelon’i Jakoba, ny faminanian’ny andro farany, ary toko maromaro momba ny bokin’i Isaia ao amin’ny Testamenta Taloha.

Takelak’i Nefia