Fanampiana amin’ny fandalinana
Labàna, Mpitahiry ny Takela-barahina


Labàna, Mpitahiry ny Takela-barahina

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ilay lehilahy izay nitahiry ireo takela-barahina tao Jerosalema tamin’ny andron’ny fianakavian’i Lehia. Nandroba sy nanandrana namono an’i Nefia sy ny rahalahiny i Labàna (1 Ne. 3:1–27). Notarihin’ny Fanahy i Nefia hamono an’i Labàna mba hahazoana ireo takelaka (1 Ne. 4:1–26).