Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiovam-po


Fiovam-po

Manova ny finoana, ny fo ary ny fiainana mba hanaiky sy hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra (Asa 3:19).

Hita amin’ny fiovam-po ny finiavana hahafoy ny fomba taloha sy hiova mba ho tonga mpianatr’i Kristy. Ny fibebahana, ny batisa ho famelana ny fahotana, ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ary ny finoana tsy an-kiato an’i Jesoa Kristy Tompo no mahafeno tanteraka ny fiovam-po. Ny olona araka ny nofo dia hovaina ho olom-baovao izay hamasinina sy madio, ateraka indray ao amin’Kristy Jesoa. (2 Kor. 5:17; Môzià 3:19).