Fanampiana amin’ny fandalinana
Daniela


Daniela

Izy no iompanan’ny bokin’i Daniela, ao amin’ny Testamenta Taloha; mpamin’nynin’ Andriamanitra sady lehilahy manana finoana lehibe.

Tsy misy na inona na inona fantatra ny momba ny ray aman-dreniny na dia hita aza fa toa avy amin’ny taranaka mpanjaka izy (Dan. 1:3). Lasan-ko babo tany Babylona izy ka tany no nahazoany ny anarana hoe Beltesazara (Dan. 1:6–7) Nandà ny hanin’ny mpanjaka i Daniela sy ireo babo telo hafa noho ny antony ara-pivavahana (Dan. 1:8–16).

Nahazo sitraka tamin’i Nebokadnezara sy i Dariosa i Daniela noho ny fahaizany mamantatra ny hevitry ny nofy (Dan. 2; 4; 6). Izy koa no namaky sy nandika ny sora-tanana teo amin’ny rindrina (Dan. 5). Nioko nanohitra azy ny fahavalony, ka dia natsipy tao an-davaky ny liona izy, kanefa nitsimbina ny ainy ny Tompo (Dan. 6).

Ny bokin’i Daniela

Misy fizarana roa ny boky: Toko 1–6: tantara momba an’i Daniela sy ireo namany telo; toko 7–12: ireo fahitana miharo faminaniana izay hitan’i Daniela. Ampianarin’ny boky fa zava-dehibe amin’ Andriamanitra ny mitoetra ho mahatoky ary asehony fa mitahy ny olo-mahatoky ny Tompo.

Ny fanampiana lehibe entin’ny boky dia ny famantarana ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara mpanjaka. Ao amin’ny nofy, ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany dia ambara ho toy ny vato izay voaendaka avy amin’ny tendrombohitra. Hikodiadia ny vato mandra-pamenony ny tany manontolo (Dan. 2; jereo koa F&F 65:2).