Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahalavoan’i Adama sy i Eva


Fahalavoan’i Adama sy i Eva

Toe-javatra izay nahatonga ny olombelona ho mety maty eto an-tany. Rehefa nihinana tamin’ny voankazo voarara i Adama sy i Eva dia nanjary mety maty, izany hoe, eo ambanin’ny ota sy ny fahafatesana. Adama no nanjary “nofo voalohany” teto an-tany (Mos. 3:7). Ny fanambaran’ny andro farany dia manazava tsara fa fitahiana ny Fahalavoana, fa tokony homena haja i Adama sy i Eva amin’ny maha-ray aman-dreny voalohan’ny olombelona rehetra azy ireo.

Ny fahalavoana dia dingana nilaina teo amin’ny fivoaran’ny olona. Noho ny fahalalan’ Andriamanitra fa hitranga ny fahalavoana no efa namolavolany Mpamonjy tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany. Tonga tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana i Jesoa Kristy mba hanonitra ny fahalavoan’i Adama, ary koa ny fahotan’ny olona tsirairay raha mibebaka izy.