Fanampiana amin’ny fandalinana
Fifadian-kanina


Fifadian-kanina

Nahim-po ametrahan-tena tsy hihinana na hisotro mba hanakaikezana ny Tompo bebe kokoa ary hangatahana ny fitahiany. Rehefa mifady hanina ny olona iray na maro, dia tokony hivavaka koa izy mba hahatakatra ny sitrapon’ Andriamanitra ary hampitombo bebe kokoa ny herim-panahiny. Efa niainan’ny mpino marina mandrakariva ny fifadian-kanina.

Andro Sabata iray isam-bolana ankehitriny ao amin’ny Fiangonana no atokana ho an’ny fifadian-kanina. Amin’io fotoana io, dia tsy mihinana na misotro ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana mandritra ny fotoana voafetra. Omeny ny Fiangonana amin’izany ny vola tokony ho nolaniana tamin’ny hanina nandritra ireo fotoana ireo. Io vola io no atao hoe fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny Fiangonana hanampiana ny mahantra sy ny sahirana.