Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanahy Masina


Fanahy Masina

Ny mpikambana fahatelo amin’ireo Andriamanitra (1 Jn. 5:7; F&F 20:28). Izy dia olona Fanahy, tsy manana vatana nofo sy taolana (F&F 130:22). Ny Fanahy Masina dia mazàna tondroina amin’ny hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra.

Manatontosa anjara asa lehibe dia lehibe maro ao amin’ny drafitry ny famonjena ny Fanahy Masina. (1) Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka izy (1 Kor. 12:3; 3 Ne. 28:11; Ete. 12:41). (2) Manambara ny fahamarinan’ny zava-dehetra izy (Jao. 14:26; 16:13; Môrô. 10:5; F&F 39:6). (3) Manamasina an’ireo izay efa nibebaka sy natao batisa izy (Jao. 3:5; 3 Ne. 27:20; Mos. 6:64–68). (4) Izy no Fanahy Masin’ny Fampanantenana (F&F 76:50–53; 132:7, 18–19, 26).

Mety ho tonga amin’ny olona iray mialoha ny batisa ny herin’ny Fanahy Masina mba ho vavolombelona manambara fa marina ny filazantsara. Ny zo hanana ny fiarahana lalandava amin’ny Fanahy Masina anefa, rehefa mendrika ny olona iray, dia fanomezana izay tsy azo raisina raha tsy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka, aorian’ny batisa nahazoan-dalana hidirana ao amin’ny tena Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Nampianatra i Jesoa fa ny fahotana rehetra dia hahazoana famelana afa-tsy ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (Mat. 12:31–32; Mar. 3:28–29; Lio. 12:10; Heb. 6:4–8; F&F 76:34–35).