Fanampiana amin’ny fandalinana
Lioka


Lioka

Mpanoratra ny Filazantsaran’i Lioka sy ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly ao amin’ny Testamenta Vaovao sady mpiara-mitory tamin’i Paoly ny Filazantsara. Zanaka Grika izy ary mpitsabo (Kol. 4:14). Avara-pianarana i Lioka. Nilaza ny tenany ho mpiara-mitory tamin’i Paoly Apôstôly izy raha nanatratra an’i Paoly tany Troasy (Asa 16:10–11). Niaraka tamin’i Paoly tany Filipo i Lioka tamin’ny dian’i Paoly farany nankany Jerosalema (Asa 20:6), ary niaraka izy roalahy mandra-pahatongany tany Rôma. Niaraka tamin’i Paoly koa i Lioka nandritra ny figadran’i Paoly fanindroany tany Rôma (2 Tim. 4:11). Maty maritiora izy araka ny lovan-tsofina.

Ny Filazantsaran’i Lioka

Fitantarana nataon’i Lioka momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanompoany teto an-tany. Ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly dia tohin’ny Filazantsaran’i Lioka. Namela asa soratra vita tsara momba ny fanompoan’i Jesoa i Lioka, ka nanolotra an’i Jesoa ho Mpamonjy ny Jiosy sy ny Jentilisa. Nanoratra maro momba ny asa sy ny fampianaran’i Kristy izy. Ao amin’ny Lioka no hany ahitantsika fitantarana ny famangian’ny anjely Gabriela an’i Zakaria sy Maria (Lio. 1); ny famangian’ireo mpiandry ondry an’i Jesoa zazakely (Lio. 2:8–18); i Jesoa tao amin’ny tempoly fony izy roa ambin’ny folo taona (Lio. 2:41–52); ny fanendrena sy fanirahana ny fitopololahy (Lio. 10:1–24); i Jesoa nivoa-dinitra ra (Lio. 22:44); i Jesoa niresaka tamin’ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana (Lio. 23:39–43); ary i Jesoa nihinana trondro sy tantely taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (Lio. 24:42–43).

Ny amin’ny lisitr’ireo toe-javatra niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay notantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, jereo ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana.