Fanampiana amin’ny fandalinana
Noa, Patriarika ao amin’ny Baiboly


Noa, Patriarika ao amin’ny Baiboly

Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahin’i Lameka sady patriarika fahafolo hatramin’i Adama (Gen. 5:29–32). Nijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy izy ary nitory fibebahana tamin’ny taranaka ratsy fanahy. Nandidy azy Andriamanitra rehefa nolavin’ny olona ny hafatra nentiny, hanao sambofiara hampiantranoana ny fianakaviany sy ny biby rehetra rehefa safotry ny rano ny tany mba ho famongorana ny ratsy fanahy (Gen. 6:13–22; Mos. 8:16–30). Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa i Noa no anjely Gabriela sady manarakaraka an’i Adama amin’ny fihazonana ny fanalahidin’ny famonjena.