Fanampiana amin’ny fandalinana
Fitantanan-draharaha


Fitantanan-draharaha

Olona izay mikarakara ny raharaha na fananan’ny hafa. Fitantanan-draharaha no iantsoana ny zavatra iahian’ny mpitantan-draharaha. An’ny Tompo ny zava-drehetra eto an-tany, mpitantan-draharahany isika. Tompon’andraikitra amin’ny Tompo isika ary afaka manao tatitra momba ny Fitantanan-draharahantsika amin’ireo solontenan’ny Tompo nahazo lalana. Rehefa mahazo antso hanompo avy amin’ny Tompo na avy amin’ny mpanompony nahazo lalana isika dia mety hisahana ny raharaha ara-nofo sy ara-panahy amin’izany fitantanan-draharaha izany (F&F 29:34).