Fanampiana amin’ny fandalinana
Anjely


Anjely

Misy karazany roa ny zava-mananaina any an-danitra, izay atao hoe anjely: ireo izay fanahy ary ireo izay manana vatana nofo sy taolana. Ireo anjely izay fanahy dia ireo izay tsy mbola nahazo vatana nofo sy taolana, na ireo fanahy izay nanana vatana mety maty fahiny ka miandry ny fitsanganana amin’ny maty. Ireo anjely izay manana vatana nofo sy taolana dia ireo izay, na efa natsangana tamin’ny maty, na efa tafafindra.

Maro ireo toko sy andininy ao amin’ny soratra masina momba ny asan’ireo anjely. Indraindray dia miteny amin’ny feon’ny kotro-baratra ny anjely rehefa milaza ny hafatr’ Andriamanitra (Môzià 27:11–16). Ny olona mety maty nefa marina dia azo antsoina koa hoe anjely (DJS, Gen. 19:15 [Tovana]). Manompo manodidina ny seza fiandrianan’ Andriamanitra any an-danitra ny anjely sasany (Almà 36:22).

Miresaka koa ny momba ny anjelin’ny devoly ny soratra masina. Ireo dia fanahy izay nanaraka an’i Losifera ka nesorina hiala avy teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ny fiainana izay talohan’ny fiainana an-tany ary nazera ety an-tany (Apôk. 12:1–9; 2 Ne. 9:9, 16; F&F 29:36–37).